4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy ho ela - Suzy Raivo

Tsy ho ela ny andro mamy hiverenanao

Dia izao ny alahelo sentom-poko izao

Ho avy ianao ary ny sandriko ho hatolotro

Ary ianao hanoroka ny molotro



Amin’izay ora izay

Ny tanan-tsika hifandray

Hamihina ahy ianao

Amin’ny fo vaovao

Ny endrikao ho faly

Ny  foko no hamaly

Ny fitiavanao

Ny safosafonao



Aza ela miandry anao ny foko re izao

Aza ela ity ny foko mbola babonao

Miandry anao ary ny sandriko no hatolotro

Ary ianao hanoroka ny molotro

Partager tsy ho ela

Commenter tsy ho ela

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Suzy Raivo